Taorian’ny fitantanan-dRazafimahefa Tsirava, filohan’ny federasiona malagasy Auto-Motocyclisme (FMAM ) teo aloha, nahazo mpitondra vaovao ny FMAM. Voafidy hitantana ny Motocyclisme eto Madagasikara mandritra ny efa-taona manaraka i Jean Gabriel Harison. Lany 100% tamin’ireo filohan’ny ligy roa amin’ny telo nanatrika ny fifidianana notanterahina teny Ambohidahy, ny sabotsy 1 avrily lasa teo, ity lehiben’ny federasiona vaovao ity. Anisan’ireo nandatsa-bato ho azy ny ligin’Analamanga sy Vakinankaratra, tsy tonga ny avy ao Atsinanana.
Marihina fa kandida tokana no nirotsaka hofidina. Tonga nanatrika ity fotoana ity ny filohan’ny ligy Matsiatra Ambony, saingy tsy afaka mifidy izy noho ny fisokafan’ity ligy ity vao haingana sy ny tsy fahampian’ny hetsika natao tamin’ny taona 2022. “Hiezaka ny hampivoatra ny taranja amin’ny sehatra matihanina ny federasiona. Anisan’izany ny fanomezana lelavola ho an’ireo tompondakan’ i Madagasikara sy ny fanomezana fitaovana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena”, hoy ity filohan’ny FMAM ity. Nohamafisiny ihany fa hotanterahina eto amintsika ny 4 novambra ho avy izao ny fivoriamben’ny Afrika Motocyclisme, araka ny hevitra notapahin’ny federasiona afrikanina, nandritra ny fivoriambe ara-potoana, natao tany Italia, ny 4 desambra 2022 lasa teo.
Fitia (Mpianatra asa)