Olona 7 niara-namoy ny ainy vokatry ny firehetan’ny taksiborosy mampitohy an’ Ambovombe sy Taolagnaro, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro.
Nitondra mpandeha miisa 24 ity fiara mpitatitr’olona ity. Nivarina tampoka teo amin’ny fiolanana mivoaka 1 km ny fokontany Bevilany mihazo an’Ambovombe Androy izy ireo. Samy nanavotra ny ainy, araka izany, ireo mpandeha. Poa toy izay anefa, niredareda ny afo. Olona dimy maty vokatry ny firehetan’ny fiara. Avotra soa aman-tsara ny 17 naman’izy ireo. Nentina nihazo ny hopitaly Ambovombe Atsimo ireo olona dimy hafa. Nalefa any amin’ny toeram-pitsaboana any Taolagnaro kosa ny fito tamin’ireo mpandeha, raha toa ka notsaboina ao Ambovombe Androy ny dimy hafa, araka ny tatitry ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Ankariera, Monja Famatara.
Notanana ny mpamily…
Manoloana ity tranga namoizan’aina olona ity, notanana eo anivon’ny mpitandro filaminana hatao fanadihadiana ny mpamily. Eo am-panatontosana ny fanadihadiana lalina momba ny nahatonga ny loza ny mpitandro filaminana. Nanoloana ity loza ity, nidina ifotony avy hatrany nisolo tena ny fitondram-panjakana ny tomponandraikitra ao an-toerana toy ny lehiben’ny faritra Anosy.
Tsiferana R.