Tonga hatrany Befandriana : tratra ireo mpanaparitaka vola sandoka

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Befandriana Avaratra, ny zoma teo, ny olona roa voarohirohy ho mpanaparitaka sady mpanamboatra vola sandoka. Voalazan’ny fampitam-baovao, miely ny feo fa misy andian’olona manaparitaka vola sandoka ao an-tanànan’i Befandriana Avaratra. Nanao ny fitsongoan-dia ireo jiolahy ahiahiana ny polisy. Noha­mafisina ny fisafoana ireo fitaovam-pitaterana mifamezivezy, indrindra ireo taksiborosy mi­voaka sy miditra ny tanàna. Nandritra izany no nahatrarana ireo olona roa teo anoloan’ny biraon’ny firaisana, anaty fiara taksiborosy 4×4 iray. Nanao ny fisavana ireo mpandeha ny polisy ka nahita azy somary kaodikaody tamin’ny fahitana ireo mpitandro filaminana. Hita tany amin’izy ireo ny vola sandoka enina, amina ravim-bola 10 000 Ar ny dimy ary ravim-bola 20 000 Ar iray. Nosam­bo­rina izy ireo ka nentina eny amin’ny biraon’ny polisy. Ny famotorana no nahafantarana fa efa nisy olona tratran’izy ireo tamin’ny fanaovana vola sandoka tao amin’ny kaominin’ Ambo­dimotso ka tonga nametraka fitarainana tao amin’ny polisy. Nahitam-bokany izany ka izao niafara tamin’ny fahatrarana azy roa izao. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ity raharaha ity.

Jean Claude

Partager sur: