Varotra anatiny : ferana ny lalan’ny fitsinjarana voka-bary eto an-toerana

Nandray fepetra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, afakomaly. Mba hijerena vahaolana sy lalan­tsaina manoloana ny vidim-bary amin’ny fotoan’ny mai­tsoahitra sy fahavaratra. Voa­lohany, ferana ny lalan’ny fi­tsinjarana ny voka-bary eny Imerintsiatosika mankaty An­tananarivo. Eo koa ny hije­rena ny fitsinjarana izany, miainga avy eny amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpitoto vary eny an-toerana. Ankoatra izay, naka vary mitentina 25 taonina teny an-toerana ny orinasa SPM, hovatsiana ireo mpaninjara
sy mpamongady eto Antana­narivo. Arahi-maso ny fitsinjarana izany mandritra ity volana avrily ity. Hanatante­raka izany ny Fitaleavam-paritra misahana ny Varotra eo amin’ny faritra Itasy (DRICC) sy ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Varotra (DGCC).

1500 Ariary ny kilaon’ny vary akotry
“Ho an’Imerintsiatosika, manodidina ny 1500 Ar ny kilaon’ny vary akotry miainga avy eny amin’ny tantsaha amin’izao fotoana izao”, hoy ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny Vondrona Ma­nova sady tantsaha, Razafia­rison Clément. Tsy tokony hihoatra ny 2900Ar ny kilao amin’ny vidin’ny vary fotsy vokatra eto an-toerana, raha ny nambarany.
“Efa miakatra ny varialoha amin’izao fotoana izao ka tsy maintsy jerena akaiky ny faritra mpamoka-bary manodidina an’Antananarivo”, hoy ny minisitry ny Fampi­roboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard. Ni­laza izy fa niezaka tsy hametra ny vidim-bary vokatra eto an-toerana ny fanjakana mba tsy hamono antoka ny tantsaha. Antony, nijerena ireo vahaolana ireo.
Tsiahivina fa nanomboka nidina ifotony ny minisite­ran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, afakomaly. Natom­boka teny Imerintsiatosika izany. Izay, toerana anisan’ny mpanodina vary lehibe indrindra eto Madagasikara. Tan­jona ny hiarovana ny mpanjifa sy hitsinjovana ny tantsaha mpamboly ary handrindrana ny sehatra ara-barotra mikasika ny voka-bary.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: