Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha halatra fitaovam-piadiana tao amin’ny fonjan’i Vavatenina ny herinandro lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana, tratra ny zoma teo, tany Antanambao Matsokely, kaominina Antanifotsy, distrika Soanierana Ivongo ireo jiolahy telo voalaza ho nitondra ireo basy. Voasambotra ny marain’ny zoma teo ny roa lahy, raha tratra tany anaty bara ny alin’io kosa ny namany iray hafa. Ankehitriny, atao fanadihadiana lalina izy telo lahy ary hiakatra fampanoavana tsy ho ela. “Mbola atao famotorana avokoa ireo jiolahy ireo ary mety hiatrika fitsarana rahampitso”, hoy ny zandarimaria ao an-toerana. Notohizany fa tsy mbola manana dosie eny amin’ny mpitandro filaminana iretsy jiolahy saingy malaza ratsy eo anivon’ny fiaraha-monina. Tsiahivina fa nisy trangana fanafihana tokoa tao amin’ny fokontany sy kaominina Antanifotsy, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Nandroba tsena roa tany an-toerana ny olon-dratsy sady nanapoaka basy. Voaroba ny entana maro isan-karazany sy ny vola aman-tapitrisa maro. Naka vola manodidina ny 6 tapitrisa Ar tamina lehilahy mpivarotra iray ny mpanafika sady nandratra azy.Vita izay, nanafika ramatoa mpivarotra iray hafa koa ireo jiolahy ka naka entana maro. Toy ny fahitalavitra, firavaka volamena, vola 400.000Ar ary vola 1.200.000Ar nalefa tamin’ny “mobile banking”. Taorian’io, nitsoaka ireo nahavanon-doza ka nipetraka tamina hotely iray tao Soanierana Ivongo. Nampiahiahy ny fiarahamonina anefa izy ireo ka niantso zandary iretsy farany. Nitsoaka anefa ireo jiolahy ka tavela tao amin’ilay trano fandraisam-bahiny ny basy poleta isan’ireo very tao amin’ny fonjan’i Vavatenina. Hita tany anaty ala ihany koa ireo basy mahery vaika telo hafa.
Henintsoa Hani