Ankoatra ilay FLM, miforona ao Toamasina ny fikambanan-jatovo maditra “Gool Den Team”. Tsy vitan’ny manao herisetra fa manao fifanarahana miafina ny mpikambana.
Raha ny angom-baovao voaray, tovolahy telo tarihin’i Ti Teuf sy Cledos ary Gino ity no mitarika ity fikambanana miafina ity. Samy mampiasa anaram-bositra ry zalahy. Mbola mpianatra kilasy famaranana amin’ ny liseam-panjakana faharoa ao Toamasina avokoa. Voatondro ho misy fifandraisana amin’ny FLM (Fikambanan’ ny Liandra Mahery) izy ireo. Mametaveta ankizivavy mbola virijiny ny tena ataon’ny mpikamban’ny “Gool Den Team”. Rehefa vita anefa ny filandratsy, avotsotr’izy ireo ny ankizy izay efa tsy tompon’ny tenany. Fikambanana mampiofana ireo ankizy haditra sy hanao herisetra ary hametaveta ara-nofo, araka ny fampitam-baovao voaray.
Misy fifanarahana sy fanaovana Dina ary mifanampy raha sendra misy mpikambana iharan-javatra ny mpikambana ao amin’ny Gool Den team. Miaro izany ny rehetra. Tsy mamoaka ny tsiambaratelon’ ny fifanarahana koa. Samy manao valifaty iombonana amin’izay mandona sy/na mahatonga fihetsika tsy mety amin’ny mpikambana iray. Nitantara izany ireo ankizy efa tafavoaka tao amin’ny fikambanana.
Raikitra ny hazalambo
Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana ao Toamasina amin’ny fikarohana ireo andian-jatovo mpanao herisetra ireo. Misy loharanom-baovao voaangona fa eo akaikin’ny tetezana mampisaraka an’i Tanambao fahadimy sy Tanamakoa no misy kizo fieren’izy ireo. Ao indray ireo milaza fa ao Tanambao Verrerie sy Ambalakisoa ny lehibeny. Miovaova kosa ny toerana famondronana ny ankizy vao hiditra ho mpikambana.
Misy olon-dehibe mpanohana sy mpiaro mba hampandeha ny varotra zava-mahadomelina sy famarotana horonantsary mamoafady ny ambadik’ity raharaha ity satria sandaina volabe ireo mpianatra mbola virijiny. Tovovavy telo mpinamana, mpianatry ny CEG Ratsimilaho (kilasy fahadimy ny iray, raha kilasy fahefatra ny roa) no niara-tsy nody tany amin’ny ray aman-dreniny nanomboka ny talata 28 marsa teo.
Tafaverina tany an-tranony ihany anefa izy telo vavy ny zoma teo saingy samy tsy nilaza na inona na inona noho ny fitsipika anatiny mifehy ny “Gool Den Team”. Ny fanadihadian’ny zandary azy telo vavy no nahitana hafatra miafina tao amin’ny finday nilaza fa i Ti Teuf no nanao fotoana taminy tamin’io fotoana io. Mivory isaky ny sabotsy sy ny alahady ny mpikambana.
Sajo/Jean Claude