Ambalamanasy – Toamasina: Jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Tsy miandry mpitandro filaminana intsony ! Miverina indray ny fitsaram-bahoaka tato ho ato. Toarian’ny tao Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo, jiolahy iray hafa indray matin’ny fokonolona tao Toamasina, afakomaly.

«Leo izahay » ! Io no nambaran’ny fo­ko­nolona nampihatra ny fitsaram-bahoaka tamina jiolahy iray voasambotr’izy ireo tao Ambalamanasy – Toamasina, ny talata 4 avrily teo. Tamin’ny 2 ora maraina, nifanenjehan’ny fokonolona ity jiolahy ity. Voa­sam­botra, nikasa hamaly ireo na­hatratra azy izy. Nentin’ny hatezerana tamin’izany ireo vatan-dehilahy ka nisy avy hatrany ireo nikasi-tanana. Natao famotorana taorian’izay ity mpangalatra ity. Tsy nety nilaza ny toerana niaviany sy ny fianakaviany izy. Vao mainka nampirehitra ny hafanam-pon’ny fokonolona izany ka niampy indray ny vono sy daroka. Poa toy izay, nandriaka ny ra teny an-tavan’io jiolahy voasambotra io. Hitan’ny tsara sitrapo ny tranga. Nian­tso avy hatrany ny mpitandro filaminana ity farany. Tonga haka io jiolahy io, araka izany, ireo manam-pahefana. Nie­zaka nitondra azy teny anivon’ny hopitaly manara-penitra tao Morafeno hihazonana ny ainy izy ireo. Vokatry ny ratra be loatra nahazo io mpangalatra io, tsy tana ny ainy. Nijanona tao amin’ny tranom-paty ny razana hatramin’ny omaly. Misokatra kosa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: