Boxe française : hiatrika fiofanana ireo mpitantana amin’ny savate

Ho fanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena, hiditra amin’ny fampiofanana ireo mpitantana eo amin’ny savate sy ny canne de combat, ny federasiona malagasin’ny savate boxe française et disciplines associées (FMSBF/DA).

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny sa­vate boxe française et disciplines associées (FMSBF/DA). Taorian’ny fahavitan’ny fifaninanam-pirenena, natao tany Toliara ny 24 – 26 marsa lasa teo, hiditra amin’ny fiofanana indray ny tomponandraikitra. Araka izany, hiroso amin’ny fanatontosana ny fiofanana indray ny federasiona ka hiatrika izany ireo mpitantana eo amin’ny savate sy ny canne de combat ary ny savate forme. Hanomboka rahampitso alakamisy 6 ka hatramin’ny alahady 9 avrily ho avy izao izany, any amin’ny ligin’i Vakinankaratra. Hiandraikitra izany ny mpitantana ara-teknika eo anivon’ny federasiona.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fanomanan’i Mada­gasikara ny fiatrehana ireo fifaninanana iraisam-pirenena izany. Anisan’ny goavana amin’ireny ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy zandriny hatao any Slovénie, ny 21 ka hatramin’ny 25 jona ho avy izao. Eo koa ny an’ny «senior», tanterahina any Croatie, ny 19 ka hatramin’ny 23 jolay 2023.

Miantso fanampiana avy amin’ny fitondrana
Nambaran’i Nakolo Jean Aimé, filohan’ny federasiona malagasin’ity haiady ity fa tan­jon’i Madagasikara amin’ ity ny hamerina indray ny anaram-boninahitra, izay efa ela no tsy nahazoana izany intsony. Na eo aza izany, tsy azo dinganina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny 26 ka hatramin’ny 30 jolay, tontosaina any Cameroun.
Mialoha ireo rehetra ireo, mbola misy ny “Gala Inter­national”, hanasan’ny ligin’i La Réunion ny mpikatroka malagasy, ny 27 mey ka hatramin’ny 4 jona.
Goavana ireo fandaharam-potoana miandry ny FMSBF/ DA ireo, ka hiantsoan’ny filohany fanampiana avy amin’ny fitondrana sy ny minisiteran’ny fanatanjahantena satria hiankina amin’ny hoenti-manana ny hahafahana miatrika ireo rehetra ireo.
Marihina fa efa marin-toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny savate boxe malagasy satria efa nahazo fankatoavana izay sambany.

Torcelin

Partager sur: