Tena namantarana ny Caisse d’epargne Madagasikara (CEM) hatramin’izay ny sehatry ny fitahirizam-bola. Nivoatra izany aty aoriana, niova sata ho sampandraharaha ara-bola madinika na mikraofinansa (IMF) izy, ka efa misy koa ny fampindramam-bola nanomboka ny taona 2019. Mitombo koa ny isany manerana ny Nosy, ka notokanana, omaly ,4 avrily, ny masoivoho vaovao eny Andrononobe Ambohitrarahaba, fahadimy eto Antananarivo, ary faha-25 eto Madagasikara. Tanjona, ny hanakaikezana kokoa ny mpanjifa, satria vavahady manokatra ny distrikan’Avaradrano ny eny Ambohitrarahaba. Miisa sivy ny mpiasa ao amin’ity masoivoho vaovao ity, ahitana ny tolotry ny CEM rehetra. Isan’ izany ny fanomezana boky fitahirizam-bola, ny mikasika ny fampindramam-bola ho an’ny olon-tsotra mpiasa (Safidy) sy ny mpandraharaha (Avotra), ny fifanakalozana sy fifamindram-bola eto an-toerana sy any ivelany (miaraka amin’ny Western union), sns.
Manodidina ny 1,2 tapitrisa ny manana kaonty
Nilaza ny sekretera jeneralin’ny CEM, Andriamanantsoa Claude, fa manodidina ny 3.000 ny mpisitraka nahazo fampindramam-bola, hatramin’izay telo taona niovana sata izay. Manodidina ny 1.200.000 ireo manana kaonty, manomboka any amin’ny ankizy hatrany amin’ny olon-tsotra ary ny fikambanana sy ny orinasa samihafa.
Tanjona amin’ny ho avy ny hampiasana ny teknolojia niomerika sy ny eletronika amin’ny lafiny ara-bola. Manodidina ny 2% isan-taona ny tahan’ny fitahirizam-bola (1,5 hatramin’ny 4%), raha 19% ny tahan’ny fampindramam-bola.
Njaka A.