Fiainana antoko : nivory naka bahana amin’ny fifidianana ny TGV

Nivory nikaton-trano teny Ivandry ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny antoko TGV, afakomaly. Nivoitra tamin’izany fa tafiditra amin’ny fanomanana sy ny hiatrehana ny fifidianana ny dinika.

Nitondra fanazavana manoloana ny resabe momba io fivoriana io ny sasany amin’ireo mpivory. “Tsy misy resaka ady tombontsoa sy vola ho anay depiote ny fihaonana. Mazava ny an’ny filoha fa ny miasa ihany no ampiana ary mametraka ny fitiavana ho lehibe indrindra hatrany. Anisan’izany ny fijerena ny vahoaka… “, hoy ny solombavambahoaka, voafidy etsy amin’ny boriborintany II, Rakotomanga Lanto. Nomena toromarika rehetra momba izany izy ireo.
Nanteriny fa anisan’ny ni­fampiresahana koa ny fanaraha-maso sy ny fanohizana ny veliranon’ny filoha Rajoelina Andry ary ny fanatanterahana izany eny ifotony. “Nampirisi­hiny izahay hijery ireo asa efa nampanantenaina na koa efa vita, toy ny fotodrafitrasa na ny an-dalana nefa ahitana olana. Tsy maintsy vitaina amin’izao fe-potoam-piasana izao izany”, hoy izy.

Mbola maro anisa ireo depiote manohana ny filoha

Nojerena ihany koa ny laminasa tokony hotanterahina eny anivon’ny distrika. Eo koa ny fanohizana ny fanampiana na fanakaikezana ny vahoaka, araka ny nambarany.
Nohitrikitrihiny hatrany fa mbola maro anisa ireo depiote manohana sy miara-dia amin’ny filoha Rajoelina Andry na eo aza ireo efa nikopak’elatra, miara-dia amin’ireo efa ho kandidà amin’ny fifidianana.

Synèse R.

Partager sur: