Nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny Ampahibe, afakomaly ny mpiraki-draharahan’ny Repoblikan’i Indonezia eto Madagasikara, M. Benny Yan Pieter Siahaan.
Niarahaba ny MDN amin’ny naha voatendry azy ho minisitra sy hanamafy ny fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta no anton’izao fitsidihana izao, araka ny nambarany. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny fiaraha-miasa ara-tafika misy eo amin’ny firenena malagasy sy Indonezia izay efa nisy hatrizay toy ny fahafahan’ireo miaramila malagasy manaraka fiofanana any an-toerana. Nohamafisin’ny MDN fa hisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny Tafika malagasy sy Indonezia momba izany. Eo koa ny fisitrahan’ireo manamboninahitra ambony ny fiofanana any an-toerana ka tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana “école de guerre”. Nambaran’ny mpiraki-draharahan’i Indonezia fa manohy ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay izy ireo. “Hisy ny fanatsarana sy fanamafisana ny efa nisy hatramin’izay ka hampitomboina ny isan’ireo manamboninahitra malagasy afaka hanaraka fiofanana any Indonesia”, hoy izy. Maro koa ireo Malagasy misitraka vatsim-pianarana toy ny KNB, Drmasiswa, ny Seskoad, ny Seskoal, ny Seskoau, ny Lemhanas ary ny eny amin’ny oniversite. Tsy fifandraisana ara-diplomatika ihany ny fifandrasain’i Indonezia sy i Madagasikara fa eo koa ny ara-tantara sy ny kolontsaina.
Jean Claude