Fikambanana SISAL : vitsy ny tahan’ny mpivarotena mitondra VIH/Sida

Vitsy ny tahan’ny mpivarotena mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto amin’ny Nosy, raha oharina amin’ireo olon-tsotra nanao fitiliana, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny SISAL (Sambatra Izay Sa­lama). «Aretina azo avy amin’ ny firaisana ara-nofo no hita amin’ny ankamaroan’ny ve­hivavy mpivarotena», hoy ny filohan’ny filankevim-pintanana eo anivon’ny Sisal, Ranaivonirina Mariah.
Maro ny tanora mieritreritra fa ny mpivarotena irery ihany no mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. “Mety ho tratra avokoa ny olon-dehibe sy ny tanora ary ny ankizy miroso amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra”, hoy hatrany izy. “Arahi-maso sy tiliana matetika kosa ny mpivarotena mba tsy hiparitahan’ny aretina haingana”, hoy ny mpiandraikitra ny fanaraha-maso ny fahasalamana eo anivon’ny SISAL, Rivoniaina Mihantsa­soa Michaella. Nohamafisiny fa tokony ho mailo hatrany ny olon-drehetra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo. Tsara indrindra ny fanatonana mpitsabo sy fanaovana fitilina rehefa mahatsiaro hafahafa ny toe-batana.
Manentana ny olon-drehetra hitily ny tsimokaretina IST sy VIH ny fikambanana. Nandritra ny herintaona ny hetsika ary hifarana ny volana Avrily hoavy izao. Nanao iza­ny tetsy Anosy izy ireo omaly. Tanjona ny hanatsarana ny tontolo ara-ekonomikan’ireo olona mitondra ny aretina. Eo koa ny hamongorana ny tsimokaretina eto amin’ny Nosy.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: