Nijery ny fandehan’ny asa fanamboaran-dalana teny Ivato manakaiky ny seranam-piaramanidina, omaly, ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery sy ireo mpiara-miasa aminy.
Nohazavainy tamin’izany ny fitsinjarana andraikitry ny faritra Analamanga sy ny minisiteran’ny Asa vaventy ary ny CUA amin’ny fanamboarana ireo lalana simba eto Antananarivo sy ny manodidina.
Miainga eny Ivato ny asa ataon’ny governoran’Analamanga satria anisan’ny lalana be mpampiasa iny ary varavarana hidirana eto Madagasikara. Mitohy eny Talatamaty, Digue…
Lalana maromaro misy lavaka madinidinika mbola azo avotana no iandraiketan’ny faritra Analamanga amin’ny alalan’ny vola madiodion’ny faritra. Dieny mbola kelikely ny fahavoazana dia avotana mba tsy hiandrasana faharavana tanteraka, hoy ny governora Rasoamaromaka Hery.
Noezahina ho ireo orinasa madinika vao mivelona no nalaina hanao ny asa mba hanohanana azy ireny sy hahakelikely ny fandaniana rahateo, raha ny fanazavana hatrany.
Ireo lalana efa tena simba tanteraka sy mitaky asa goavana kosa no raisin’ny minisiteran’ny Asa vaventy izay miara-miasa amin’ireo orinasa lehibe. Araka ny baikon’ny Filoham-pirenena dia lalana mateza no hatao fa tsy vonjy tavan’andro amin’ireo lalana efa tena rava tanteraka ireo. Efa voafaritra fa lalam-be 17 no hiasana eto Antananarivo ka anisan’izany ny eny Isotry, 67Ha, Andohatapenaka…
Antenaina mba ho efa tsara avokoa ny ampahany betsaka amin’ny lalana eto Analamanga any amin’ny volana jona raha ny vinavina napetraka, hahafahana manao fety anaty tanàna mirindra. Mifarimbona ny faritr’Analamanga sy ny minisiteran’ny Asa vaventy ary ny kaominina amin’ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo sy ny manodidina.
Tatiana A