Mitombo hatrany ny trangana herisetra sy fanolanana mahazo ny ankizy eto Madagasikara na eo aza ny hetsika fanentanana isan-karazany hisorohana izany, raha ny nambaran’ny fikambanana TAO. Ankizy 3 isan’andro no lasibatr’izany manerana ny Nosy. Manampy izany ireo vehivavy tanora.
Ankoatra izay, misedra olana maro samihafa izy ireo sy ny fianakaviany aorian’ny herisetra sy ny fanolanana. Mangina tsy afa-miteny ny ankamaroan’izy ireny. Mbola tsy ampy ihany koa ny foto-drafitrasa mandray an-tanana sy manohana azy ireo. Nilaza ny fikambanana fa sakana ho azy ireo ny tsy fahampiam-bola hitondrana ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Manampy izany ny fifandaminana ao ambadiky ny teny hoe: “fihavanana” eo amin’ny roa tonta.
Tsiahivina fa mikarakara hetsika fihazakazahana am-bisikileta ny fikambanana TAO. Itambaran’ireo mpandeha an-tongotra sy mpihazakazaka ary ny mpitaingina bisikileta. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Run and bike, Stop aux viols”. Tanjona ny hanentanana ny mponina mba hiady amin’ny herisetra ara-nofo mianjady amin’ny ankizy. Eo koa ny hitadiavana famatsiam-bola hanohanana ny hetsika sy ny tetikasa fanentanana. Mba hisorohana ireo endrika fanolanana mpahazo ny ankizy.
Mino (mpianatra asa)