Hira evanjelika : Ankohonana iray mandrafitra ny tarika « Ny toa azy »

Ray sy renim-pianakaviana miaraka amin’ireo zanaka nateraka ! “Ny toa azy”, tarika hi­vondronan’ny ankohonana iray resy lahatra amin’ny antson’ Andriamanitra ny amin’ny hi­toriana mandrakariva ny teny soa mahafaly amin’ny alalan’ny fampiasana ny talenta notovanana fianarana sy fandali­nana norantovina tamin’ireo mpahay sy mpitendry mozika efa matihanina.
Ny taona 2021 no nijoro ny tarika. Tombony ho an’ireo mandrafitra ny “Ny toa azy” ny fahafehezan’ireo milalao gadona maroloko tahaka ny bagasy, reggae, batrelaky, slow, jazz, sns. Tononkira tsotra sy mora raisina hatrany ihany koa no ezahanay zaraina, hoy i Sitraka sy Manitra izy ireo izay samy mpamorona eo anivon’ny “Ny toa azy” mba hanamora ny fampitana ny hafatra.
Nisy ny seho ankalamanjana voalohany notanterahin’izy eni-mianaka ny tolakandron’ny alahady 2 avrily teo, tetsy amin’ny Skate park Antanimena. Niara-dalana tamin’ity fampisehoana ity ny namoahana ny rakipeo laharana voalohany “Nanosotra ahy”. Sanganasa miisa 10 no noraiketina ao anatiny : “Hafaliana”, “Tiako ny mihira”, “Mihira”, “Nanoso­tra ahy” …
Voazara tsara ny talentan’izy efatra mianadahy : Man­dranto (amponga maroanaka), Manovosoa (gitara), Satry (lo­kanga) ary i Sahaza (hira), izay samy naneho ny fahavononany ny hanolotra ny kanto ho an’ireo mpitia zavakanto ho vo­ninahitr’Andriamanitra.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: