Kintan’ny Fanilo mikabary : navoaka ny andia « Mazava »

« Manandratra ny Zava-ma­sina ho Vatsy » na ny « Ma­zava ». Ho an’ny Fikam­ba­nan’ny Kintan’ny Fanilo mikabary, andiany fahefatra navoakan-dry zareo ny « Mazava » nahitana 35 mianadahy. Niofa­na nandritra ny enim-bolana izy ireto. Nianarana ny kabary fototra, ny kabary am-panambadiana ary ny kabary an-ka­ratsiana. Nasongadin’ny filoham-boninahitry ny Kin­tan’ny Fanilo mikabary, fa « tsy mijanona eo akory ny fampiofanana omena azy ireo, avy hatrany dia hiditra amin’ny dingam-panamafisana izy 35 mianadahy ireo. Nambaran-dRamilison Patrick Eugène, filoham-boninahitry ny Kintan’ny Fanilo mikabary fa « tsy mijanona eo akory ny fampiofanana omena azy ireo fa hiditra avy hatrany amin’ny dingam-panamafisana izy 35 mianadahy ».
Fantatra fa hisokatra amin’ny volana mey izao ny fampiofanana kabary eo anivon’ity fikambanana ity. Marobe ireo ezaka fampandrosoana mom­ba ny kolontsaina, indrindra ny kabary tanterahin’izy ireo. « Fanirianay, ny hananan’ny isan-tokantrano mpikabary », hoy ny filohan’ny Kin­tan’ny Fanilo mikabary.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: