Loholona Ramanambitana R. : “Tsy misy ambonin’ny lalàna”

“Amin’ny ankapobeny, ma­lalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Misy ny fa­nambaran’ny minisitry ny Atitany, tamin’ny herinandro lasa teo, izay karazana lalàna mifehy ny famoriam-bahoaka. Araka ny fomba fijerin’ny eto anivon’ny Antenimierando­holona, lalàna ireny. Tsy misy olona ambonin’ny lalàna”, hoy ny loholona Ramanam­bitana Richard, omaly, ny amin’ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany fa tsy azo atao ny manao famoriam-bahoaka ankalamanjana.
Na mpitondra, na mpanohitra, na tsy milaza ny heviny, na ny vahoaka iray manontolo: manaja izay lalàna izay mba hisian’ny fitoniana. Mba tsy hisian’ny korontana no tanjona. “Mizotra mankany amin’ny lalam-pifidianana isika amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Efa manao ny ainy tsy ho zavatra amin’izany ny Ceni. Hitondra fitoniana ireny lalàna apetraky ny minisitry ny Atitany ireny mba hiatrehana malalaka ny fifidianana eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Ilaina ny fitoniana

Voafetra ary fehezin’ny la­làmpanorenana ny fanatanterahana fifidianana, fa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Amin’ny maha fanjakana tan-dalàna an’i Ma­da­gasikara, mila mi­fantoka sy miatrika ary mijery miaraka hampahombiazana ny fanatanterahana izay fifidianana izay ny rehetra. Rehe­fa hitondra amin’ny karazana fikorontanana na fanembantsembanana ny saim-bahoaka fa tsy mandeha amin’ny fahatanterahan’ny fifidianana, tsy maintsy misy ha­trany ny fepetra raisina manoloana an’izany.
Miantso fitoniana ho an’ ny vahoaka malagasy, indrindra ho an’ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fomba fitantanana sy ny fampandrosoana misy amin’izao fitondrana izao: aleo ny vahoaka mba hiaina amim-pilaminana sy amim-pitoniana tanteraka amin’ny fiatrehana ny Paska. Satria ilain’ny va­hoaka izany, fa fety lehibe ma­neran-tany ny Paska. Miaina ao anatin’izany ny eto Madagasi­kara.

R. Nd.

Partager sur: