Mahavimbina Alain : “Ilaina ny diniky ny samy Malagasy”

Miantso ny fifampiresahan’ny samy Malagasy ny lehiben’ny faritra Atsinanana teo aloha sady filohan’ny antoko Gasikara antsika rehetra (Gar), i Mahavimbina Alain, manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Nanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireo depiote, araka ny fanazavany. Tsy tanteraka ny dingana hahazoana manao latsa-bato amin’izany. Nisy ny baikon’ny fahefana mpanatanteraka hoan’ny fa­hefana mpanao lalàna. Tao­rian’izay, nanohy ny fitoriana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena (HCC) tamin’ny alalan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED) ireo depiote, izay anisan’ny nangataka ny hanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana. Hita ny fanapahan’ny HCC.
Mitombo ny olana eo anivon’ny andrimpanjakana amin’izany, araka ny fanazvany. Izay miteraka tsy fahamarinan-toeran’ny andrimpanjakana. Satria tsy afa-kiara-mi­asa intsony ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka. Ny dikan’izay: mikatso ny fitantanan-draharaham-panjakana. “Noho izany, mi­antso ny fi­tondram-panjakana amin’ny maha raiamandreny politika azy izahay hanao fanambarana ny toe-draharaha manokana misy eto amin’ny firenena. Mba hahazoan’ny vahoaka malagasy miroso amin’ny fifampiresahan’ny samy Ma­la­gasy”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: