Minisitry ny Serasera : “Tsy foana ny fahazoana mamory vahoaka”

“Tsy foana ny fahafahana maneho hevitra politika. Ma­namafy aza ny ny minisiteran’ny Atitany sy ny governemanta fa mahazo alalana avokoa ny olon-drehetra ma­nao fanehoan-kevitra politika. Eo koa ny fahazoana manao famoriana olona amin’ny politika.” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriaton­ga­rivo, omaly, manoloana ny adihevitra etsy sy eroa ny amin’ny fahazoana manao famoriam-bahoaka.
Mila jerena ny voalazan’ny lalàna andininy voalohany amin’ny didim-panjakana 60-082 tamin’ny taona 1962, ma­­maritra mazava fa samy hafa ny hoe fivoriam-bahoaka sy ny fanaovana fihetsiketsehana ankalamanjana. Izay, angamba, no tsy nahazoan’ny olona ny resaka, nahatonga fifangaroan-javatra. Omena fahazoan-dalana avokoa ny famoriam-bahoaka, fa tsy misy fanavahana na manohitra na manohana fanjakana. Na izany aza, atao anaty efitrano izany mba hahazoana misoroka ny mety ho fanohintohinana ny filaminam-bahoaka na ny fifamoivoizana eny ankalamanjana.

Amin’ny fampielezan-kevitra ny ankalamanjana

Ny famoriam-bahoaka ankalamanjana kosa, araka ny voalazan’ny lalàna 2018-008 momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, amin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra no azo atao. Amin’izao fotoana izao, tsy mbola ao anatin’ny fampielezan-kevitra: tsy tokony hotohintohinina ny fahalalahan’ny olon-drehetra maneho hevitra. “Azo atao tsara ny mamory vahoaka, fa atao any anaty efitrano na iza na iza manao izany”, hoy izy. Amin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra, azon’ny olon-drehetra atao ny manao fa­moriam-bahoaka ankalamanjana.
Samy hafa ny famoriam-bahoaka sy ny fihetsiketse­hana ankalamanjana. Satria izay no tsy azon’ny olona, mahatonga ny fampifangaroana miteraka adihevitra be. “Tsy fitondrana ankehitriny no ndeha hanohintohina ny fahafahana maneho hevitra”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: