Hotontosaina anio, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny atrikasa “Torolalana ho an’ny fanoratana tononkalo”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Famoloana Telozoro, miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Andrianimerina Hobiana, poeta sy mpanoratra, no hitondra ny famelabelarana. Tanjona ny fanarenana ny literatiora malagasy sy ny haikanto, indrindra ny teny malagasy.
Mitohy hatrany ny ezaky ny fikambanana Famoloana Telozoro sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny momba ny fanoratana tononkalo no hifampizarana amin’ity anio ity. Maro tokoa ny tanora no manana aingam-panahy ka manoratra tonokalo maro samihafa. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny tononkalo mivoaka indrindra no nanaovana izao atrikasa izao. Misokatra ho an’ny rehetra ny atrikasa. Fampianarana sy fampahafantarana ho an’ny vao manomboka sy vao misandratra ary fanatevenana fahaiza-manao ho an’ny efa ao anatin’ny sehatry ny fanoratana tononkalo.
Lin (Mpianatra asa)