Varotra hani-masaka : mitohy ny fampiofanana ataon’ny CUA, INTH, Fhorm

Mifarimbona ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy Fhorm ary ny INTH amin’ny famolavolana ireo mpivarotra hani-masaka ho tonga matihanina amin’ny asa fivelomany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina,
amin’ny fampivoarana ireo mpivarotra madinika izao fiofanana izao.
Hofanina mandritra ny herinandro, araka izany, ireo mpivarotra hahafehy ny fenitra takina amin’ny varotra sakafo masaka ataony. Efa nahatratra 130 ireo mpivarotra nisitraka fiofanana ka ny andiany farany sisa no amperim-piofanana ankehitriny.
Ankoatra ny fianarana mi­kasika ny fandrahoana sakafo dia omena ny fahaiza-manao momba ny vonjy taitra sy ny fisorohana amin’ny trangan’ny firehetana ihany koa izy ireo.
Nianarana nandritra ny fiofanana, teny amin’ny INTH, ny momba ny fanadihadiana ifotony ireo karazana sakafo mety hiteraka aretina, ny fahadiovana manontolo mifandraika amin’ny fikarakarana sakafo manomboka any amin’ny mpamokatra fototra mandra-pahatonga any amin’ny mpihinana.
Ankoatra ireo, ny fahadiovan’ny mpikarakara, ny akanjo tokony hanaovany ary indrindra ny fampahafantarana ny toerana tokony hikarakarana sakafo, manaraka ny fenitra hahafahana manaja ny fahadiovana.
Zava-dehibe norantovina ihany koa ny fahadiovan’ny fitaovana ampiasaina, ny vo­katra ampiasaina sy ara-pahasalamana. Anisan’ny mahaliana ny mpiofana indrindra ny mikasika ireo singa entin’ny fihinanana sakafo isan-karazany.

Tatiana A

Partager sur: