Hatramin’izao, mbola mahabe resaka ny sasany etsy sy eroa ny amin’ny vola enti-manatanteraka fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity. Mby aiza? Manazava ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina: ”Anisan’ny adidy aman’andraikitry ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ceni ny mitady vola enti-manatanteraka fifidianana.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ahoana ny tohin’ny fakan-kevitry ny Ceni ho fanatsarana ny zotram-pifidianana?
Andriamalazaray Andoniaina (-): Tsy maintsy harafitra ny hevitry ny olona rehetra. Misy teboka 11 izy tao. Hanaovana tatitra izay, ary zaraina amin’ireo mpisehatra nanatrika ny fihaonana ho mari-panajana azy ireo. Ao anatin’izay tatitra izay no hamaritan’ny Ceni ny andraikiny ka tanterahiny, araka izay notakina taminy. Na tsy notakina aza, tsy maintsy hataony. Tanjona ny hananantsika fifidianana azo itokisana, mangarahara, hitondra filaminana.
* Ahoana ny amin’ny vola enti-manana ny fifidianana mbola mahabe resaka ny sasany amin’ izao?
– Ao anatin’ny fiomanana izay, fa tsy efa raikitra ny fifidianana vao ikoropahana ny vola. Ao anatin’ny drafitrasan’ny Ceni izany. Efa nilaza ny Ceni fa 143 miliara Ar mahery no ilaina hanatanterahana fifidianana, raha te hahita fifidianana tomombana araka ny ilàntsika azy isika. Tsy midika izay hoe tsy hanao ny Ceni, raha latsak’izay ny vola. Hanao ny Ceni, fa efa mahafantatra isika izay: arakaraka ny zaza maty ny lambamena.
Raha misy hadisoana na tsy fitandreman’ny hafa, tsy ny Ceni no hibaby azy fa izay hadisoany sy tsy fitandremany ihany no babeny. Rehefa volam-bahoaka no ampiasaina, ao anatin’ny fampiasana sy fitantanana volam-bahoaka: tsy maintsy manaja tsara ny hasin’ny vahoaka, tsy maintsy manaja ny fitsipiky ny fitantanam-bolam-bahoaka. Na ariary aza no havoaka, tsy ananan-kavana fa tsy maintsy manaja ny fitantanana.
* Ahoana no fomba hahazoana vola?
– Mikaroka amin’ny lalam-bola rehetra ny Ceni, araka izay eken’ny lalàna. Na homen’ ny vazaha aza, ohatra, izay hanatanterahana fifidianana: volam-bahoaka izay. Tsy manome vola amin’izao ny vazaha fa mampitrosa, mba tsy hilazana hoe mampanjanaka. Ny vola raisina avy any ivelany sy ny avy ao anatiny na ny volam-bahoaka angatahina amin’ny alalan’ny governemanta no ezahina kitihina avokoa mba hirotsaka amin’ ny fotoana ilàna azy amin’ny fanatanterahana fifidianana. Tsy misy ilàna azy intsony ny vola, raha vita ny fifidianana vao harotsaka. Misy tetiandro koa amin’ny hampiasana ny vola, tokony hirotsahany amin’ ny fotoana ilana azy.
Anisan’ny adidy aman’andraikitry ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ceni ny mitady vola enti-manatanteraka fifidianana. Tsy fampiasam-bola fotsiny ny fitantanam-bola, fa ny fampidiram-bola koa. Ao anatin’ny adin’ ny Ceni amin’izao fotoana izao ny manao izay hampidiram-bola: aiza no hahitana an’io 143 miliara Ar mahery io, ary ahoana no hitsinjarana azy rehefa tonga? Kely ihany io rehefa tena hampiasaina.
* Ahoana ny amin’ny fahaleovantenan’ny Ceni?
– Tsy manao lalàna ny Ceni amin’ny momba azy, fa ny lalàna efa misy no arahiny. Tsy marina ny hoe mandray baiko avy atsy na aroa ny Ceni. Mety misy olona mandefa baiko na manao tsindry: manatanteraka sy maniky an’ izay ve ny Ceni? Fanontaniana tsy hoe misy ve ny baiko sy ny tsindry, fa ny hoe: manatanteraka sy manaiky ve izahay eo anivon’ny Ceni?
Nangonin’i R. Nd.