Autisme Madagascar : “Tsy misy politika fiahiana ny olona marefo”

Nanadihady momba ny fiahiana manokana ny olona manana fahasembanana nandritra ny fisian’ny valanare­tina Covid-19 tao anatin’ny faritra enina be mponina in­drindra ny fikambanana Au­tisme Madagascar. « Mitovy isika miatrika ny Covid-19 » ilay tetikasa ary niompana tamin’ny faritra Boeny, Atsi­nanana,Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana ary Analamanga. Nivoitra taorian’ny fanadihadiana notanterahina nandritra ny enim-bolana fa tsy manana politika mazava fiahiana ny olona marefo i Madagasikara rehefa misedra krizy toy ny valanaretina na voina hafa.

Tao anatin’ny fiatrehana ny Covid-19 nanome vola hanohanana ny vondron’olona marefo ny fanjakana fa tsy nanokana sora-bola ho an’ny olona manana fahasemba­nana. Rehefa nizara fanampiana Vatsy tsinjo na Tosika fameno ny mpitondra, naha­tsapa ireo olona manana fahasembanana fa voailika satria 69,1% tamin’izy ireo tsy nisitraka. 1,8% amin’ireo olona manana fahasembanana no nahafantatra fa misy fizarana tohana sosialy.

Nandritra ny taona 2020, nanome vola mitentina 116 mi­liara Ar ho an’ny fiahiana sosialy ny fanjakana ka 24 mi­liara Ar mahery ny anjaran’ny minisiteran’ny Mponina miahy mivantana ny olona manana fahasembanana. Nambaran’ ny Autisme Madagascar fa tokony hojerena akaiky ny fampiasan’ny minisitera tsirairay ny vola ho an’ny fiahiana sosialy ao aminy. Betsaka rahateo ny ONG sy fikambanana misehatra amin’ny fiahiana sosialy ka tokony hiara-hiasa amin’ny minisitera voakasika izy ireo.

Natolotra omaly, tany Toa­masina, ny valin’ny fanadihadiana natao.

Vonjy

Partager sur: