Notanterahina tao amin’ny Novotel Ivandry, ny 3 sy 4 avrily lasa teo, ny fiofanana notarihin’ny “Union European Football Associations” (UEFA), ho an’ny vehivavy, izay mitondra ny lohahevitra “Football pour les femmes”. Vehivavy miisa 40 no nahazo torolalana amin’ny resaka fitantanana ara-bola “Marketing”, fitarihana na “leadership” sy ny ara-teknika, tamin’ity andiany voalohany ity. Tsiahivina fa 5 mianadahy ireo mpampiofana nalefan’ny UEFA eto amintsika. Anisan’ireo nanatrika izany ny filohan’ny kaomision’ny baolina kitra vehivavy ao amin’ny Federasiona FMF, Andriatsimialona Sandrine Michela sy ireo solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena.
Ankoatra izay, nahitana mpanao gazety sy mpitsara ary mpanazatra avy amin’ny faritra, toa an’i Fianarantsoa, Vakinankaratra, Toliara, ny hetsika. Aorian’izany, misy ny fanaraha-maso ataon’ity kaomisiona avy any Eoropa ity eto amintsika. Marihina fa mitaky ny hisian’ny tomponandraikitra amin’ny fampiroboroboana ny tsenan’ny baolina kitra na “Directeur marketing” eo anivon’ny FMF izy ireo afaka roa volana. Natao ho fampivoarana ny tetibola misy eo amin’ny Federasiona izany. “ Afa-po tanteraka tamin’ny fiofanana natao nandritra ny roa andro ny rehetra, ary vonona ny hampihatra izany amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra eto amintsika izahay”, hoy ity filohan’ny kitra vehivavy ity.
Fitia (Mpianatra asa)