Manao ranolava ny fangatahana. Nanao fanambarana ireo avy amin’ny fikambanan’ ny ben’ny Tanàna any amin’ny distrikan’Ampanihy. “Mangataka ny hilatsahan’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ity taona ity izahay”, hoy izy ireo, tamin’ity herinandro ity, tao Ampanihy. Nanterin’izy ireo fa manohana tanteraka ny filohan’ny Repoblika izy ireo. Notanisain’ireto ben’ny Tanàna ireto tamin’izany ny zava-bita, toy ny fotodrafitrasa vitan’izao fitondram-panjakana izao any amin’ iny distrika iny sy manerana ny faritra Atsimo Andrefana. “Manasa ny filoha izahay hitokana ireo asa vita ireo. Tsy mba nanadino anay ny filoha Rajoelina Andry”, hoy ihany izy ireo. Anisan’ny nitondra ny tenin’izy ireo tamin’ izany ny ben’ny Tanàna mitantana ny kaominina Beahitse.
Synèse R.