“Machine presse” manasaraka ny menaka ao anaty soja mahazaka hatrany amin’ny 25 kva. Milina fanjairana kitapo asiana ireo vokatra. Ireo ny fitaovana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana tamin’ny alalan’ny tetikasa “Casef” nomena ny kaoperativa Fanamby ao amin’ny kaominina Soanindrariny, faritra Vakinankaratra. Ankehitriny, afaka mividy katsaka sy soja any am-potony ny kaoperativa. Mandray ireo vokatra avy amin’ireo tantsaha mpiara-miasa ihany koa izy. Mbola afaka manodina izany ho lasa sakafom-biby na provandy. Misehatra amin’ny fanodidina katsaka sy soja ho lasa provandy ho an’ny kisoa sy ny akoho amam-borona ary ho an’ny omby ny kaoperativa Fanamby. Misy 20 mianadahy ny mpikambana ao aminy. Ao anatin’izany, misy ireo tantsaha mpiara-miasa miisa 25 ary mitontaly 600 eo ho eo ny mpikambana manerana ny kaominina fito manodidina an’i Soanindrariny. Ankilan’ izay, mandalo dingana telo ny famokarana provandy ataon’ny kaoperativa Fanamby. Ao ny famokarana provandy ho an’ny soavaly izay miakatra eto an-drenivohitra. Ny famokarana ho an’ny tantsaha manodidina hahafahany manatsara ny fiompiana. Ankehitriny, andalam-pamatsiana ny provandy ho an’ny akoho amam-borona sy ho an’ny omby ao Antsirabe ihany koa ireo mpisitraka ny “titre vert”.
Ankoatra izay, nisitraka fatana mitsitsy avy amin’ny tetikasa “Casef” kosa ny fikambanam-behivavy. Manitatra ny asa ataony ity fikambanana ity noho izy manamboatra mofo ho an’ny mpianatra sy karazan-tsakafo vita avy amin’ny katsaka, vomanga, soja ary tsaramaso.
Henintsoa Hani