Famoriam-bahoaka ankalamanjana : mitaky ny hampitsaharana ny sakantsakana ny Tim

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny RMDM sy ny Tim ary ny avy amin’ny antoko Kintana, mano­loana ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Atitany. Notsiahivin’izy ireo fa nomena baiko ireo solontenam-panjakana tsy hanome alalana intsony ny famoriam-bahoaka eo amin’ny politika ankalamanjana.

“Manainga ny go­vernemanta izahay handray ny fepetra rehetra hampitsaha­rana ny famerana sy ny sakana ary ny fampihorohoroana amin’ny famoriam-bahoaka ataon’ny antoko politika na aiza na aiza”, hoy izy ireo. Niantso ny solontenam-panjakana manerana ny Nosy koa ireto antoko politika sy vondrona ireto mba hanaja ny tsy fiandaniana politika sy ny tsy fitanilana amin’ny andraikiny.

Aoka atsahatra ny herisetra sy fampiasan-kery

Nitodika amin’ny mpitandro ffilaminana koa izy ireo. “Aoka atsahatra ny herisetra sy ny fampiasan-kery diso tafahoatra. Eo ireo fihetsika sy fiteny tsy manaja zon’olombelona ampiasain’izy ireny eo am-panatanterahana ny asany”, hoy ihany izy ireo.

Notsiahivin’ny fanamba­rana fa misy ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon’ olombelona. Voafaritra anatin’ izany fa manana zo hivory malalaka ny olona rehetra. Manana fahalalahana haneho hevitra sy miteny ary tokony halalaka eo amin’ny fifandraisana, eo amin’ny fanaovan-gazety, araka ny fanambarana hatrany. “Iantohana ho an’ny rehetra ary tsy azo ferana ny fahalalahana mivezivezy ary fanitsakitsahana lalàna ny tsy fanomezana alalana ny antoko politika hanatanteraka famoriam-bahoaka ankalaman­jana”, hoy ihany izy ireo.
Fambolena korontana eto amin’ny firenena

Nohitsin’ny fanambarana koa fa tena fanosihosena ny demokrasia sy finiavana hamboly korontana eto amin’ny firenena ny fanerena sy fanakanana ary fampihorohoroana atao amin’ireo tsy mitovy he­vitra amin’ny mpitondra. “Ireo miaraka amin’ny fitondrana anefa afaka mamory vahoaka na ankalamanjana aza”, hoy ny eo anivon’ny RMDM sy ny Tim ary ny antoko Kintana.

Synèse R.

Partager sur: