Famoriam-bahoka ankalamanjana : manamafy ny fepetra ny minisitry ny Atitany

Hatramin’izao, mahabe adihevitra ny fanambaran’ny minisitry Atitany, i Tokely Justin, tamin’ny 31 marsa, fa tsy azo atao ny famoriam-bahoaka ankalamanjana. Na malalaka aza ny fanehoan-kevitra, tsy maintsy atao anaty efitrano ny famoriam-bahoaka. Manoloana izany, nisy ny fanambarana iombonan’ny Vondrona eoropeanina, ny masoivon’i Alemaina, i Eta­zonia, i Frantsa, i Japon, i Royaume-Uni, i Soisa, i Norvezy, afakomaly. Miahiahy ny mety ho vokatry ny fanapahan-kevitry ny minisitry ny Atitany ry zareo.

Mety hampisy fihenjanana politika amin’izao fiatrehana fifidianana izao ny fepetra. Nefa vao tamin’ny 24 marsa ny Ceni no niezaka nametraka fifampitokisana eo amin’ny mpisehatra amin’ny fifidia­nana. Manantena ny hisian’ny fifidianana malalaka, mangarahara, atokisan’ny rehetra, marina, milamina amin’ity taona ity izy ireo. Fototry ny demokrasia ny fanehoan-kevitra an-kalalahana.
Tsy tokony hisy fanava­hana ary hifanahantsahana avokoa izany, raha ilaina. Ny fenitra iraisam-pirenena eo amin’ny zon’olombelona tsy mametra ny vanim-potoana na misy fifidianana na tsia. Tokony hampiharina araka ny tokony ho izy izany ary mihatra amin’ny tsirairay, amin’ny vondron’olona rehetra, na antoko politika rehetra mba hahafantarana marina ny tena fisian’ny demokrasia.

Manaja ny lalàmpanorenana ny eto Madagasikara

Namaly avy hatrany ny fanambarana ny minisitry ny Atitany, nilaza fa manaja ny lalàmpanorenana ny eto Mada­gasikara. Araka ny And. 10, ny fanehoan-kevitra, ny fahalalahana maneho hevitra, mivory, mivezivezy dia iantohana ny tsirairay ary tsy voafetra afa-tsy amin’ny fanajana ny fandriampahalemana sy ny filaminana.
Manaraka ny lalàna velona ny fanehoan-kevitra sy ny famoriam-bahoaka, araka ny didy hitsivolana volana
60-082, ny 13 aogositra 1960, momba ny famoriam-bahoaka: ilana fahazoan-dalana mialoha ny fivoriana ankalamanjana na inonaa na inona antony. Mety tsy hahazoana fahazoan-dalana izany, raha manohintohina ny filaminam-bahoaka.
Araka izany, nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa mialoha ny fampielezan-kevitra ny fivoriana ho an’ireo rehetra te hanao izany dia azo atao ny famoriam-bahoaka. Saingy ho fiarovana ny filaminan’ny daholobe, tsy main­tsy atao ao anaty efitrano izany fa tsy ankalamanjana.
Araka ny didy hitsivolana fanitsiana 62-017, tamin’ny 14 aogositra 1962, tsy misy fivoriana azo atao eny an-dalambe, izay ivezivezen’ny mponina ao anatin’ny fiarahamonina ary tsy natao andraisana fivoriana.

R. Nd.

Partager sur: