“Afa-mandroso ho amin’ ny tsaratsara kokoa isika. Tsy mbola very na resy i Madagasikara. Porofon’izany, be dia be ny vahiny tonga eto. Ny vahiny mandroso, fa ny Malagasy mihemotra”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Ny Fireneko, i Paul Rabary, teny Antaninarenina, omaly. Tsy afa-kijery fotsiny izany ny antoko Ny Fireneko, nampahafantatra ny vinam-piarahamonina vaovao hampandrosoana an’i Madagasikara.
Tsy miainga amin’ny tsangan’olona ny antoko, fa amin’ ny tsangan-kevitra liberaly amin’ny teny filamantra hoe: “Miara-miasa, miara-mihary, miara-mandroso”. Ny asa ny maha olona amin’izany; tsy tokony haka ny toeran’ny mpandraharaha amin’ny fiharian’ ny fanjakana fa natao hanamora izany. Ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fandriampahalemana no asany. Anjaran’ny fanjakana ny mandrindra sy mandamina ny asa sy ny fihariana amin’ny hoe miara-mandroso amin’ny famindrana fahaiza-manao, fahefana, vola enti-miasa…
Azo atao tsara ny manao fampandrosoana
Lalana telo no heverin’ny Ny Fireneko hampandrosoana an’i Madagasikara: ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fampiroboroboana ny teknolojia vaovao. Tokony hifantoka sy hiafara amin’izany fanofanana tanora; raha tsy izany, tsy hisy fampandrosoana.
Anisan’ny paikady sy fomba fiasa hanatrarana izany kosa ny fanabeazana sy fampiofanana tokony hiteraka asa amin’ ireo sehatra ireo; ny fanorenana fotodrafitrasa hamokarana sy hamoahana vokatra. Eo koa ny teknolojia vaovao hanafaiganana ny asam-panjakana. Ao anatin’izany ny tsy fampiasana taratasy intsony, izay atomboka amin’izany renivohi-paritany ary iadiana amin’ny kolikoly; ny fampanjakana ny fandriampahalemana, tsy hoe ady amin’ny asan-jiolahy fotsiny fa mitondra filaminan-tsaina hahazoana miasa an-kalalahana sy mandray ny vokatry ny asa…
R. Nd.