Fari-dranomasina sy sisintany : manamafy ny fanaraha-maso ny APMF

Nohamafisin’ny eo anivon’ ny APMF ny fanaraha-maso ny fiaingan’ny sambo eny anivon’ny seranan-tsambo ara-dalàna. Nampihena ny loza an-dranomasina teny amin’ny seranan-tsambo ofisialy izany, araka ny fanambarana nataon’ izy ireo. Teo koa ireo fepetra noraisin’ny ladoany ka nahatrarana ireo trafika na teny amin’ny seranam-piaramanidina io na teny amin’ny seranan-tsambo. Manampy izany ireo hetsika nataon’ny zandary niaraka tamin’ny ladoany, niaraka tamin’ny CSP ary ny tafika an-dranomasina. Na­hitam-bokany izany tamin’ iny faritr’i Nosy-Be sy Am­banja, teo amin’ny ady amin’ ny fifindra-monina tsy ara-dalàna. Teo koa ny jono tsy ara-dalàna ary ny trafikana zava-mahadomelina. Niaiky anefa ny APMF fa mifindra any amin’ny toerana ivelan’ ny seranan-tsambo ofisialy sy any ambany ravinkazo any ireo mpanao ratsy.

Mazava ny fanambin’izy ireo : “Fanaraha-maso ny sisin-dranomasina sy fari-dranomasina. Ny fiaraha-mientan’ireo sampandraha­raha rehetra no antoky ny fahombiazana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra rejionaly ireo amin’ny Ranoma­simbe Indiana”.

Notsiahivin’ny APMF fa samy nanao ny ezaka avy ireo sampandraharaha mpanara-maso sy ny sisin-dranoma­sina ary ny fari-dranomasina. Ilaina koa ny fanamafisana ny fanangonam-baovao ho an’ireo sampandraharaha re­hetra. Manampy izany fifanakalozana ny vaovao, mba ham­pahomby ny fisorohana sy ny fanenjehana ireo mpanao ratsy.

Synèse R.

Partager sur: