Fizahantany : nomena lanja ny valiha

Nifarana, omaly, ny « Va­li­ha sy ny Fizahantany » na ilay fampiofanana ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany, nanatevim-pahalalana momba ny kolontsaina malagasy. Niompana tanteraka tamin’ny fampahafantarana ny valiha (zavamaneno malagasy) ny fampianarana. « Satria, fahita manerana an’i Madagasikara ny valiha. Iray amin’ireo singa mahasarika ny mpizahantany, tahaka ny ravinala, ny baobab, sns. Noho izany, raha hay sy voafehy tsara ny fampahafantarana sy fampivelarana azy, azo inoana fa ho maro ireo mpizahantany no ho voasarika aminy », hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie izay nanatanteraka ity fiofanana ity.
Amin’ny ankapobeny, ny mpiseradia miasa any amina orinasa na mahaleo tena no nandray anjara tamin’ito fiofanana nandritra ny hateloana ity. Fahalalana fototra momba ny valiha (tantara, fomba fitendry, ny hira sy ny valiha malagasy…) no nomena ireo mpiofana 25 mianadahy.
Fantatra fa, hisy hatrany ny fampianarana sy fiofanana tahaka izao. Hitohy amin’ny andiany faharoa ny « Valiha sy ny Fizahantany »

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: