Halatra basy : tompon’antoka ny mpiandry fonja sy gadra

Mpiandry fonja telo sy voafonja telo indray naiditra am-ponja, afakomaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana momba ilay raharaha halatra basin’ny fonja ao Vavate­nina. Nihanivoatra hatrany ny fanadihadiana nataon’ny zandary ka nahazoana izao vokatra izao, taorian’ny famotorana rehetra. Basy Mas 36 efatra niaraka tamin’ny bala marobe tao amin’ny fonjan’i Vavate­nina no very, ny 28 marsa 2023 hariva. Taorian’ny fitondrana ny raharaha teny anivon’ny fampanoavana ka nampidi­rana am-ponja ireo mpiasan’ ny fandraharahana ny fonja telo sy voafonja telo, arahi-maso ara-pitsarana kosa ny lehiben’ ny fonja sy ny lefiny. Araka ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny zandarimaria, ny fanjakana malagasy no nijoro ho mpitory amin’ity raharaha ity. Nomarihin’ny zandary fa fonja toeran-kafa mihitsy no ihazonana ireto voarohirohy ireto fa tsy ao Vavatenina intsony. Tsiahivina fa ny alin’ny 28 avrily 2023, nitrangana vakitrano narahina fanafihana mitam-piadiana tao Antanifotsy Soanierana Ivongo ka ireo basy sy balan’ny fonja very tao Vavatenina ireo no nampiasain’ireo jiolahy mpanafika. Andrasana indray, araka izany, ny tohin’ity raharaha mitana ny sain’ny maro ity.

Jean Claude

Partager sur: