Kitra any ivelany : hiala ao amin’ny PSG i Messi

Hifarana amin’ny volana jona ho avy izao ny fifanarahana eo amin’i Lionel Messi, mpanjakan’ ny baolina kitra arzantina sy ny Paris Saint Germain (PSG), klioba frantsay. Araka ny vaovao tany Frantsa, omaly, tsy hilalao ao amin’io klioba frantsay io intsony i Messi aorian’io fotoana io. Raha ny feo mandeha, tsy zakan’ity kalazan’i Arzantina ity ny siotsioka sy ny ompa nahazo azy rehefa resin’ny Olympiques Lyonnais, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny PSG. Lalao notanterahina tao amin’ny Parc des Princes, ny alahady lasa teo, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa.
Tsiahivina fa tonga tao amin’ny PSG, ny taona 2021 i Messi, ary nahatafiditra baolina 11 sy tolotra 15 nandritra ireo fifaninanana rehetra nataony tao amin’ity ekipan-drenivohitr’i Frantsa ity. Araka ny siosion-dresaka navoakan’ireo espaniola dia mety hiverina ao amin’ny FC Barcelona, klioba espaniola i LM 10. Ankoatra izay, nanome tolotra 400 tapitrisa Eoro isan-taona ho an’ity kintan’i Arzantina ity ny kioba Al Hilal, Arabia Saodita, saingy mbola andrasana ny fanapahan-keviny. Anisan’ireo klioba iray mifanandrina amin’ny Al Nassr, misy an’i Cristiano Ronaldo, mpanjakan’ny baolina kitra portiogey ny Al Hilal ary azo heverina fa hiverina indray ny fifanandrinan’i CR7 sy LM10. Tsiahivina fa taorian’ny nahazoan’i Ar­zan­tina ny “Mondial Qatar 2022”, lasa niharatsy ny vokatra azon’i Lionel Messi.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: