Lavanila : hohalalahana tanteraka ny vidiny

Taorian’ireo hetsika na­taon’ireo mpandraharaha la­vanila tao Antalaha, ny herinandro lasa teo, tonga tany an-toerana, ny alatsinainy teo, ny minisitry ny Indostria, Razafindravahy Edgard. Ni­haona tamin’ireo mpandraraha ho tohin’ny fihaonana ny herinandro teto an-drenivohitra izy. Nandritra izay, nikaondoha niaraka ireo mpandraharaha hamahana ny olan’ny lavanila. Tapaka tamin’izay fa hohalalahana tanteraka ny vidin’ny lavanila.

Tsiahivina fa notazomina 250 dolara ny kilaon’ny lavanila eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, taorian’ilay fivoriana tetsy amin’ny Carl­ton Anosy sy tany Antalaha, ny herinandro teo. Voalaza tamin’izay koa ny hanokafana ny filan-kevitra nasionalin’ny lavanila amin’ny mpikambana hafa. Tao koa ny hanomezana fahazoan-dalana hanondrana na « agrément » vaovao ho an’ireo efa nanao fangatahana ka vonona hanaja ny fitsipika napetraka.

Tapaka ary nifanaiky ny rehetra ny tsy maintsy hampodian’ny mpandraharaha ny 70%-n’ny vola azo amin’ny fanondranana. Malalaka kosa izy ireo amin’ny hampiasany ny 30% ambiny, hoy hatrany ny fanazavan’ny minisitra. Natao izao, hoy izy, mba hitsinjovana ny mpamokatra lavanila sy ho fiarovana ity vokatra fanondrana mampiavaka ny Malagasy ity.

Henintsoa H.

Partager sur: