Maibahoaka Ivato : jiolahy nahatrarana basy roa sy bala

Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy iray niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika roa tetsy Maibahoaka Ivato, afa­komaly. Nahatsika­ritra io lehi­lahy io naneho fihetsika hafahafa ny olona teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony nanao ny fanamarinam-baovao ireo farany. Sarona teny aminy tokoa ny basy poleta iray. Nahitana bala maromaro koa niaraka tamin’izay. Nen­tina nihazo ny biraon’ny zandary hatao fanadihadiana io voasam­botra io. Andrasana ny tohin’ ny raharaha. Malaza ratsy efa mpanao asa ratsy ity voasambotra ity. Efa fampiasany re­hefa manao ny asa ratsiny arak’ izany ireto fitaovam-piadiana tratra teny aminy ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: