Nahavita 96 050 000 Ar… : telo lahy tratra nanao vola sandoka

Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanamboarana vola sandoka tratra tao Mananjary, afakomaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary no nahasambotra azy ireo taorian’ny fikarohana. Niainga avy ta­min’ny loharanom-baovao voarain’ny polisy no nahafantarana ny fisian’ireto olona ireto manamboatra vola sandoka ao Mananjary. Nidina teny amin’ny toerana voatondro misy azy ireo ny polisy ka voamarina tokoa izany ka niroso tamin’ny fisamborana. Hita ihany koa ny fitaovana maro isan-karazany fanamboarana vola sandoka izay efa nahavitan’ireo jiolahy toy ny vola tena izy mihitsy. Vola san­doka mitentina 96 050 000 Ar no efa vita tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy. Vola taratasy 4 737 isa, mitsinjara amina ravim-bola 20 000 Ar sy 10 000 Ar ary 5 000 Ar. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany ireto jiolahy tratra ireto. Nikasa hanapa­ritaka ireo vola sandoka tao Mananjary ry zalahy kanjo tratran’ny polisy.

Jean Claude

Partager sur: