Rebecca Weingartner : hizara ny fahaizany mandihy

Hotontosaina, anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar, IFM Analakely, ny fampisehoana dihy tarihin’i Rebecca Weingartner. Ny ma­soivohon’i Suisse eto Mada­ga­sikara miaraka amin’ny Com­pagnie Lovatiana no mi­karakara ny hetsika. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “Festival Miaraka” andiany fahatelo. Hahazo vahana manokana ny dihy amin’ity anio ity, amin’ny maha fampisehoana dihy azy.
Ny mahakasika ny dihy no hifampizarana sy haseho eny amin’ny IFM Analakely, anio, ao anatin’ny “Festival Miara­ka” andiany fahatelo. Hizara ny fahaizany amin’izany i Rebecca Weingatner, mpandihy sy mpanao soradihy avy any Suisse, tonga eto Mada­gasikara amin’izao hetsika lehibe izao. “Tsy voafetran’ny sisintany ny dihy. Manana fahalalahana amin’ny lafiny rehetra ny mpampiatra azy”, hoy ny mpikarakara. Mpam­pianatra sy mpisehatra eo amin’ny soradihy i Rebecca Weingartner, ankoatra ny maha mpandihy azy. Mbola mandalina sy mianatra ny momba ny dihy ankehitriny izy amin’izao fotoana izao na dia efa 42 taona aza. Vonona tanteraka izy hizara sy hifampizara amin’ny mpisehatra eo amin’ny dihy malagasy , araka ny nambarany. Eo ihany koa ny Compagnie Lovatiana, izay fikambanana mivoy ny dihy ankehitriny, anisan’ny mpikarakara ny “Festival Mia­raka”.
Mampiavaka ity hetsika lehibe ity ny fahasamihafan’ny haikanto mandray anjara. Eo ihany koa ny fanomezana lanja ny olona manana fahasembanana sy ny mpahay haikanto hita ao anatin’ny “Festi­val Miaraka”. Miezaka hatrany ny mpikarakara ny hetsika manatsara ny kalitaon’ny hetsika karakarainy. Anisan’izany ny fampitomboana ny haikanto hita ao anatin’ny “Festival Miaraka”.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: