Safotra tampoka teny an-dalana : raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana

Raim-pianakaviana iray 54 taona hitan’ny olona safotra teny an-dalana tao Mangarivotra Atsimo, omaly. Nisy nanatitra tao amin’ny Hopitalibe Toamasina izy saingy tsy avotra intsony ny ainy. Raha ny fanadihadiana voaray, nandeha teny an-dalana izy ka nidaraboka tampoka ka hitan’ny fokonolona. Nivilana ny vavany sady nilefitra ny tanany. Niezaka ireo nanatri-maso nitondra azy teny amin’ny hopitaly na dia tsy nahafantatra azy fa vonjy aina no natao. Nandritra ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny mpitsabo niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, noho izy tsy ampy sakafo dia noana be. Efa faratampony ny hanoanany ka izay no nitarika ny fianjerany. Vo­kany, nanano sarotra ny famelomana azy. Tsy ampy hery intsony raha ny fanazavan’ny mpitsabo ao amin’ny Ho­pitalibe Toamasina. Ny olona ihany koa, tsy nahafantarana ny fianakaviany ka voatery nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Nanamafy ny teo anivon’ny hopitaly fa rehefa tapitra ny fetr’andro hitazonana ny razana ao amin’ny tranom-paty dia tsy maintsy halevin’ny vondron’ny mpamonjy voina izany. Ny fanadihadiana hatrany no nahafantarana fa miakatra izaitsizy ny taham-pahafatesana tampoka vokatry ny tsy fahampian-tsakafo ao Toama­sina.

Sajo/Jean Claude

Partager sur: