Seces Fianarantsoa : “Aza andrasana hihetsika ny mpampianatra…”

Manoloana ny hetsika fitakiana nataon’ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato ta­min’ity herinandro ity, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Fianaran­tsoa fa toherin’izy ireo ny fidiran’ny mpitandro filaminana ny faritry ny oniversite sy ny fanalana ny “franchise universitaire” nahafahan’izy ireo niditra sy nisambotra mpi­anatra nandritra ny hetsika. Nanelingelina sy nampisavoritaka ny mponina teny amin’ ny manodidina rehetra koa ny fampiasan’ny mpitandro filaminana ny baomba mandatsa-dranomaso. Mbola nanamafy ny mpampianatra fa ilaina ny fizakantenan’ny oniversite satria sehatra tokony hahafahana maneho hevitra an-kalalahana sy hamolavolana olom­banona. Fanehoana hevitra ny fahafahana manao fitakiana.

Rehefa misy ny olana toy ny tsy fandoavana ny vatsim-pianarana, mila mizara ny vaovao marina ny tomponandraikitra ho an’ny mpianatra hampitony azy ireo. Mampa­hatsiahy koa ny mpampianatra mpikaroka fa tsy tokony hiandry ny Seces hihetsika koa ny tomponandraikitra vao hanefa ny ampahany amin’ny saran’ny ora fanampiny ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 sy ny fanatanterahana ny “décret” telo.

Vonjy

Hivoaka amin’ny herinandro ny tetiandro

Taorian’ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana nataon’ny oniversite telo : Mahajanga sy Fianarantsoa ary Toamasina, namoaka fanambarana miaraka ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny minisiteran’ny Paositra. Hanome ny vatsim-pianarana dimy volana sy ny vola fampitaovana izy ireo manomboka ny herinandron’ny 17 avrily ho avy izao. Ny famaranana ny lisitry ny mpianatra hisitraka vatsim-pianarana avy any Toliara no nandrasana omaly, hahafeno ny antontan-taratasy ho an’ny oniversite enina, araka ny fanazavana. Hivoaka amin’ny herinandro ny tetiandro fizarana ny vatsim-pianarana manerana ny Nosy.

Partager sur: