Trafika : sokatra 54 hita tao anaty kamiaobe

Voasambotry ny polisy tao Toliara, afakomaly ireo olona telo voarohirohy tamin’ny fikasana hanondrana an-tsokosoko sokatra. Nahazo fampitam-baovao ny polisy miasa ao Ihorombe fa misy sokatra ataon’olona anaty gony feno saribao niainga avy any To­liara hoentina hiakatra aty an-drenivohitra. Nanao fanadihadiana ny polisy ka ny 2 avrily 2023 teo, voasakana teo Iho­rombe ny kamiaobe iray mpitondra saribao. Rehefa natao ny fisavana ny entana tao anaty fiara dia nahatrarana gony lehibe iray feno sokatra nia­raka tamin’ireo saribao ireo. Nandritra ny fanisana izany, 54 ireo zana-tsokatra na­fenina niaraka tamin’ny saribao. Nen­tina nihazo ny polisy ireo sokatra tratra mba hahafahana manohy ny fanadihadiana rehetra. Natao ny fikarohana izay mety ho tompon’antoka ka ny 3 avrily 2023, olona telo (vehivavy sy lehilahy roa) indray tratra tao Toliara izay fantatra fa tom­pon’ireto sokatra saika haondrana ireto.

Jean Claude

Partager sur: