Vokatry ny fisotroana toaka : 0,5% ny zaza voan’ny aretina eto Madagasikara

Ambony ny tahan’ny zaza marary eto Madagasikara raha oharina amin’ny maneran-tany. Vokatry ny fisotroan’ny reny mitondra vohoka sy mandritra ny fampinonoana, toaka izany. Misy fiantraikany amin’ny vatany sy ny atidohany ary ny toe-piainan’ny zaza izany, raha ny nambaran’ny mpitsabo.

Zaza 1 hatramin’ny 3 amin’ ny arivo ny zazakely tra­tran’ny aretina azo avy amin’ny fisotroan’ny reny toaka, eo am-pitondrana vo­hoka maneran-tany. Betsaka kokoa ny taha ho an’i Mada­gasikara satria mahatratra 5,5 izany, raha ny fikarohana natao teo anivon’ny hopitalin-jazakely gynécopsychiatrique, etsy Befelatanana, tamin’ny 2010.
“Zava-doza ho an’ny zaza ao am-bohoka ny fisotroan’ny vehivavy bevohoka toaka satria miteraka aretina maro samihafa aminy izany”, hoy ny mpitsabo zaza eo anivon’ny CHU Mère-Enfant Tsara­lalana, ny Dr Rambeloson Setra Hasina. Nilaza izy fa mahatonga ny zaza tsy tonga volana izany. Mahatonga azy tsy ampy lanja, manimba sy mahakely ny atidohan’ny zaza. Ankoatra izay, matetika very tadidy sy tsy mahavita miteny tsara ary tsy mahavita mifehy ny fihetseham-po ihany koa izy ireny. Nohamafisiny fa mahatonga olana goavana eo amin’ny fiainany any aoriana izany toy ny tsy fahitana asa.

Soloina rano ny toaka ho an’ny vehivavy ratsiana izany

“Azo atao tsara ny manolo rano tsotra sy sakafo ara-pahasalamana ny toaka, ho an’ireo vehivavy bevohoka ratsiana izany”, hoy ny mpitsabo eo anivon’ny Centre Aro Aina, Dr Andriamia­ri­narivo Miarintsoa. Nilaza izy fa tsy azon’ny vehivavy bevohoka sy mandritra ny fampinonoana ny misotro toaka na inona na inona antony.
Tsapa anefa fa efa misy ireo vehivavy sady mifoka sigara, misotro toaka ary mandray héroïne ankehitriny, raha ny zava-misy sy ny marary raisin’ny mpitsabo an-tanana. Nilaza izy fa tena manampoizina sy miteraka vokadratsy eo amin’ny zaza any am-bohoka ireo rehetra ireo. Antony ma­hatonga ireo ny fahasarotam-piainana sy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’ izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana nataon’ny mpi­tsabo.
Tsiahivina fa nikarakara laobary an-dasy ny ministeran’ ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Natao tetsy amin’ny tranom-pokonolona Anala­kely. Niaraha-niasa tamin’ny kaominina Antanananrivo Renivohitra sy ny SAF Ocean Indien. Namoriana ireo fi­kambanam-behivavy 192 fo­kontany eto Antananarivo. Tanjona ny hahafantarana sy hisorohana ny voka-dratsin’ ny fisotroan’ny reny toaka eo amin’ny zaza any am-bohoka. Tafiditra ao anatin’ny telo andron’ny fahasalamana ny hetsika. Nanomboka omaly ary hifarana rahampitso. Misy ny fihaonam-be ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana. Mba hiresahana mahakasika ny korontana ateraky ny toaka eo amin’ny zaza ao am-bohoka sy ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina eto Ma­da­gasikara.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: