Nanantena hahazo mora ny hatsembohan’ny sasany ! Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpanendaka iray voasambotry ny fokonolona tetsy Analamahitsy, afakomaly hariva. Miandry ireo mpandalo mandeha an-tongotra anatin’ny lalana maizina mampitohy an’ Analamahitsy sy Nanisana ireto olon-dratsy ireto. Niisa telo izy ireo no nikasa hanao ny asa ratsiny. Sendran’ny fokonolona, nataon’ireto farany hazalambo ireo mpanendaka ireo. Tra-tehaka tamin’izany ny iray. Raikitra ny daroka sy ny vono. Nentin’ny hatezerana sy naneho ny tsy fahafaliany ny fokonolona. Vokany, vaky loha ary efa tsy nisy akanjo intsony vokatry ny fisintonana nataon’ireo nisambotra azy io mpanendaka io. Tonga ara-potoana ny polisy nandamina ny raharaha. Nentina hatao fanadihadiana io lehilahy voasambotra io. Tafaporitsaka ireo namany roa hafa. Marihina fa maizina tanteraka tsy misy jiro ny lalana mampitohy an’Analamahitsy sy Nanisana amin’izao fotoana ka anton’ny hanararaotan’ireo olon-dratsy.
Tsiferana R.