Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona frantsay, Gérard Larcher, tany Paris, ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS) malagasy, Razafimahefa Herimanana, ny 5 avrily teo. Nifantoka tamin’ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny fihaonana. Navoitran’ny PS, Razafimahefa Herimanana, fa manan-danja ny fifandraisana manan-tantara amin’i Frantsa, izay nanohana hatrany an’i Madagasikara, na tao anatin’ny fotoan-tsarotra aza, toy ny nandritra ny krizy Covid-19 ireny. Notsiahiviny fa hamafisina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, ary misy koa ny iarahana amin’i La Réunion.
Nomarihin’ny PS frantsay, fa maherin’ny 100.000 ny Malagasy monina any Frantsa, isan’ny firenena andalam-pandrosoana maro indrindra any aminy. Miisa 16.000 kosa ny teratany frantsay eto Madagasikara.
Anisan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, ny lafiny fanodinana ny vokatry ny fambolena, ny ara-tafika, fanabeazana, kolontsaina. Eo koa ny tontolo iainana, ny harena an-dranomasina, ny fotodrafitrasa, sns. Hisy ny fihaonambe iraisan’i Madagasikara sy Frantsa, hatao amin’ny taona 2024. Handray anjara amin’izany ny filohan’ny faritra frantsay sy malagasy, miaraka amin’ny mpandraharaha sy indostrialy frantsay sy malagasy maro.
Njaka A.