Nidina mivantana teny amin’ny fokontany Anosibe Angarangarana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly, nijery ny fizotran’ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana karakarain’ny CUA.
Nampiavaka ity hetsika andiany manaraka ity, ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fikambanana Manjaka Vintana Beton Armée, izay nanao ny fanentanana isam-baravarana teny ifotony. Nahaliana ny maro ny fanaraha-maso ny fahasalamany, maimaimpoana rahateo izany.
Efa hatramin’ny talata teo ny fanombohan’ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana ary hifarana anio. Manodidina ny 600 isan’andro eo ireo olona nisitraka ny tolotra sy ny fitsaboana.
Nahitana fitsaboana amin’ny ankapobeny, fandrindram-piterahana, fisafoana ho an’ny vehivavy mitondra vohoka, fitiliana diabeta, fanomezana fanafody… Mijery maso sy mivarotra solomaso amin’ny vidiny mirary teny an-toerana koa ny Lion’s Sight First.
Teo koa ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka, izay nanome tanana, ka anisan’izany ny Airtel Madagascar, izay nanampy ny kaominina amin’ny fampitaovana. Nandritra ny fidinan’ny ben’ny Tanàna teny amin’ny fokontany Angarangarana dia nisy ny fangatahana izay nataon’ny mponina amin’ny fanaovana ny lalankely sy ny fanampiana ny jiro.
Efa maro ny lalankely vita teny amin’ny boriborintany fahefatra ary mbola ezahina hovitaina izay mbola tsy vita ary hampiana ny jiro, hoy ny valin-kafatra. Eny amin’ny fokontany Ambatomaro, boriborintany fahadimy indray no hitohy ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana.
Tatiana A