Efa tapitra ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC, taona 2023. Nanomboka ny 23 janoary ary nifarana ny 24 marsa teo ho an’ny CEPE ary ny 30 janoary ka hatramin’ny 31 marsa lasa teo ho an’ny BEPC. Mbola miandry ireo sekoly tara amin’ny fanaterana ny antontan-taratasy ny mpitantana ny Cisco Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao, hoy ny Sefo Cisco. Betsaka ny antony mety hitarika ny fahatarana : tsy fahasalamana, olana teo amin’ny fakana ny taratasy teny amin’ny biraom-panjakana, fahasahiranan’ny ray aman-dreny… ka omena fotoana mihoatra kely ireo tojo izany.
Momba ny CEPE sy BEPC andrana fanao mialoha ny fanadinam-panjakana. Aorian’ ny fidirana ny 17 avrily no hiroso amin’ny fitsapana ny Cisco. Amin’ny ankapobeny, roa ny andrana atao ho an’ny sekolim-panjakana, iray karakarain’ny Cisco ary ny faharoa tontosaina miaraka amin’ny Zap tsirairay. Indraindray koa, manatanteraka andrana manokana ho azy ny sekoly tsy miankina sasany. Hotanterahina ny talata 20 jona ny CEPE. Hanomboka ny alatsinainy 3 jolay ary hifarana ny alakamisy 6 jolay kosa ny BEPC.
Vonjy A.