EPP Anosivavaka : 430 ireo mpianatra nisitraka ny fotodrafitrasa vaovao

Notokanana omaly ny fanavaozana fotodrafitrasa teny amin’ny EPP Anosivavaka. Miisa 430 ireo mpianatra nisitraka izany. Tonga nanatrika izany ny avy amin’ny solon-tenam-panjakana maro samihafa.

Notokanan’ny Fonda­tion Viseo, omaly, ny EPP etsy Anosiva­vaka, ao anatin’ny boriborintany fahenina. Nisitraka izany ireo mpianatra 430 eo ani­von’ny sekoly. Niarahany niasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa Akadin ary Sanifer ny tetikasa.
Maro ny tombontsoa an­drasan’ny mpianatra sy ny mpampianatra manoloana ny fanavaozana ny sekoly. Ani­san’izany, ny fisian’ny tontolo iainana madio sy milamina. “Antoka iray, mampazoto sy mandrisika ny ankizy hianatra ary hamonjy toeram-pianarana ny fotodrafitrasa vita”, hoy ny talen-tsekoly, Ravao­harisoa Sahondra Harinjaka.
Naorina nanomboka ny 1979 ny sekoly. Tsy mbola nisy fanamboarana raha tsy vao izao. “Tsapa fa tena ratsy ny sekoly ary nisy fiantraikany teo amin’ny fampianarana izany”, hoy izy. Mitaintaina sy matahotra ny mpampianatra sao ho latsaka any ambany ireo ankizy. Goaka avokoa ny ankamaroan’ny gorodona, mihozongozona ny lavarangana… Nilaza izy fa naraha-maso foana ny mpianatra sao hianjera sy ho latsaka. Misy fiantraikany teo amin’ny fampianarana ny haratsian’ny sekoly, raha ny nambaran’ny mpampianatra.

Efitrano sekoly 100 havaozina anatin’ny 5 taona
Aorian’ity tetikasa ity, tanjona ny hanorenana sy hanavaozana efitrano fianarana 100 farafahakeliny ao anatin’ny 5 taona. Ankoatra izay, tohanana ny sehatra mikasika ny fahasalamam-bahoaka. Ampiana manokana mandritra izany ireo ankizy any ambanivohitra sy ny faritra sahirana.
Hotohizana ny fiaraha-miasa sy fanampiana ny sehatry ny Fanabeazam-pirenena, raha ny nambaran’ny talen’ny Fondation VISEO. Aseho amin’ny alalan’ny fanorenana sy ny fanavaozana ny trano sekoly izany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: