Fandaniam-bolam-panjakana : hohafainganina ny fikirakirana antontan-taratasy

Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fanatsarana sy fanafainganana ny fikirakirana ny antotan-taratasim-panjakana ho amin’ny fandaniam-bolam-panjakana. Mazava ny toromariky ny filohan’ny Repoblika tamin’izany.

Havaozina ny fomba fiasa mba tsy hampikatso ireo asa efa nankatoavina tamin’ny alalan’ny fanaovana tsenam-baro-panjakana. Nanovàna, araka iza­ny, ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny fampiasana ny tetibolam-panjakana, araka ny nambarany.
Efa napetraka eo ambany fiahian’ny filohan’ny Repo­blika ny fanaraha-maso ny volam-panjakana «Contrôle Financier», ka natsangana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ho fanatanterahana izany ny birao fanaraha-maso ny fandaniam-bolam-panja­kana «Bureau de Suivi des Engagements Financiers-BSE».
Ahitana dingana maromaro izany. Mitondra ny teti­kasam-pampiasam-bolany eo anivon’ny filankevitry ny minisitra ireo minisitra tsirairay, miaraka amin’ny tombam-bidin’ny tsenan’asa ataony “Estimation de coût” raha ohatra ka tsy mbola voafaritra mazava ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola 2023 izany. Afaka miroso avy hatrany amin’ny fanaovana tolo-bidy “Appel d’offres” ny minisitera tsirairay raha vao ankatoavin’ny filankevitry ny minisitra izany ary mandeha avy hatrany eny amin’ny fanaraha-maso ny volam-panjakana “Contrôle financier” miaraka amin’ny fahazoan-dalana avy amin’ny filankevitra “Note de conseil” manamarina ny fankatoavana ilay tetikasa.

Ho tompon’andraikitra ireo minisitra tsirairay
Manao fanaraha-maso avy eo ny BSE raha manaraka ilay tombam-bidy nekena teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ilay tetikasa. Ajanona ny fikirakirana ny fandoavam-bola “Liquidation” amin’ny orinasa nahazo ny tsenan’asam-panjakana raha tsy voahaja ny tombam-bidy. Tom­pon’andraikitra mivantana amin’ny tombam-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana ekeny ao anatin’ny tolo-bidy, araka izany, ny minisitra tsirairay.
Hapetraka koa ny rindram-baiko “PRE-SIG” hampidiran’ny minisitera tsirairay ny drafi-pandaniam-bola atao­­ny “Plan d’engagements financiers” ahafahan’ny BSE manana ny lisitr’ireo tetikasa hanaovana tolo-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana. Ha­na­morana ny fanaraha-maso aoriana “Contrôle à poste­riori” izany.
Etsy andaniny, hapetraka ny “Guichet unique» hikirakira ny pitsopitsony ara-panjakana rehetra amin’ny tolo-bidy, takian’ny tsenan’asam-panjakana ho an’ny tetika­san’ny filohan’ny Repobika re­hetra. Hotendrena ny «Ins­pec­teur d’Etat» manokana hiandraikitra izany.

Synèse R.

Partager sur: