Fisorohana ny herisetra any an-tsekoly : nizarana boky torolalana ny mpanabe

Ny herinandro lasa teo, nisehoana herisetra teny Ambohipo, mpianatra tao amin’ny CEG no nifanindrona antsy tety ivelan’ny toeram-pianarana. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy sy ny mpitantana ny Cisco Antananarivo Renivohitra ary ny CEG na tsy tany an-dakilasy aza no nitranga ny herisetra.

Mbola hanaovana fa­nadihadiana ilay na­nao herisetra ary hiakatra fitsarana mihitsy ny raharaha. “Ho fiarovana ny ain’ny mpianatra ao amin’ny CEG Ambohipo, noesorina tsy ho anisan’ny mpianatra ao intsony ilay nisetrasetra”, hoy ny nambaran’ny lehiben’ny Cisco Antananarivo Re­nivohitra, Ramananantony Harilalaina, omaly, teny Analakely. Nisarika ny sain’ny rehetra hijery akaiky ny herisetra miseho any an-dakilasy ataon’ny samy mpianatra ity tranga teny Ambohipo ity. Araka ny fanadihadiana, ankizy iray amin’ny telo no nilaza fa niharan’ny herisetra tany an-tsekoly ary 58% amin’ny tanora no efa nanaovana herisetra tany am-pianarana avy amin’ny mpiara-mianatra na koa ny mpiasa eo anivon’ny sekoly. Matetika, maro anisa kokoa ny ankizivavy niharany raha mitaha amin’ny zazalahy.
Namolavola boky torolalana ho an’ny mpanabe ny fikambanana Imaso Ivoho Madagasikara hampahafantarana ny herisetra any an-tsekoly sy ny fomba fisehony ary ny tokony hatao rehefa mi­tranga izany. Nozaraina ireo mpanabe eny amin’ny EPP ato anatin’ny Cisco Antana­narivo Renivohitra ny boky torolalana, omaly, teny amin’ny Tranompokonolona Anala­kely satria mpiara-miasa ny Cisco. “Miseho amin’ny tsindrihazolena ataon’ny ankizy amin’ny ankizy mitovy aminy ary miverimberina matetika ny herisetra any an-dakilasy. Mitarika takaitra ara-tsaina ho an’ilay niharany izany ary mety hitarazoka ny vokany hoentiny any amin’ny toeram-piasany sy ny fiainan’ny tokantranony”, hoy ny mpikambana iray ao amin’ny fikambanana, Rasoanaivo Anjara. Tsara raha homen-danja manokana ny ankizy tsirairay, miainga avy ao amin’ny tokantrano ka atosika izy amin’ny zavatra hainy (fanatanjahantena, mozika, dihy…) ka tsy hipaka any aminy ny vokatry ny herisetra miseho any an-tsekoly, hoy hatrany izy. Misehatra eny amin’ny EPP ny fikambanana manentana ny mpianatra sy ny mpanabe, hisorohana ny herisetra any an-dakilasy.

Vonjy A.

Partager sur: