Jica Ninja Cup : misokatra ny fifaninanana fanolorana tetikasa « appel à projet »

Nanomboka nisokatra ny fifaninanana fanolorana tetikasa, izay tontosain’ny Jica Ninja Cup 2023, andiany faharoa. Natao ho an’ny tanora latsaky ny 35 taona, manana tetikasa eo amin’ny sehatry ny fambolena, fanabeazana, fahasalamana ary ny fikirakirana ny fako ny fifaninanana. Koa entanina ny tanora rehetra manerana ny Nosy hanatitra ny tetikasany ao amin’ny tambajotra Jica Madagascar Mizunami Africa. Hatramin’ ny 10 mey izao ny fandraisana ny antontan-taratasy, fantatra aorian’izay kosa ireo mpandraharaha voafantina. Tamin’ ity andiany faharoa ity, hisitraka famatsiam-bola mitentina 30 tapitrisa Ar avy amin’ny Mizumani Africa Founda­tion ny «startups» telo voafantina. Ankoatra izay, hisitraka fanohanana ara-tekinika avy amin’ny Nexta mandritra ny enim-bolana koa ireo mpandraharaha maharesy.

Tanjona
Natao hamaly ny “objectif du développement durable” (ODD) avokoa ireo tetikasa hifaninana rehetra. Tanjona amin’izany ny hamahana ny olana sosialy sy toekarena eto Madagasikara. «Manantena aho fa ireo mpandraharaha mafana fo, izay hahazo io loka io, dia hampiasa azy hampandrosoana ny manodidina azy, mba hamoronana asa, handoavana hetra ary hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana maharitra ny toekaren’i Madagasi­kara», hoy ny fanazavan’i Satoru Mizumani, avy amin’ny Mizumani Foundation.
Anisan’ny masontsivana amin’ity fifaninanana ity ny fananana orinasa mijoro ara-dalàna eto Madagasikara. Tantanana tanora latsaky ny 35 taona miisa roa izany ary misehatra amin’ny fandraharahana azo tanterahina soa aman-tsara sy manaraka ny ODD.

Henintsoa Hani

Partager sur: