Nafangaron’ny olon-dratsy tamin’ny vola tena izy, nampiasainy nividianana kisoa ny vola sandoka. Tra-tehaky ny zandary izy ireo ka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, afakomaly.
Mody nanao trosa vidina kisoa, naiditra etsy Antanimora vonjimaika ireo roa lahy nanaparitaka vola sandoka tao Ambohitrandriamanitra, distrika Manjakandriana, afakomaly. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny olon-tsotra voasolokin’ireo jiolahy ireo. Nanao trosa ny vidin’ny kisoa ireo olon-dratsy ireo ka naloany ny vola andro vitsy taorian’ny nifanarahana. Mitentina 600 000 Ar ny vidin’ ny kisoa saingy vola sandoka ny 320 000 Ar tamin’ny vola naloan’ireo mpisoloky ireo. Vao maraina mbola maizimaizina izy ireo no nanatitra ny vola. Nony mazava, tsikaritry ny mpivarotra kisoa izany. Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny zandary taorian’ny fanadihadiana. Voasambotra ny lehilahy iray nanaparitaka ny vola. Ankoatr’io, noraisim-potsiny teto an-dRenivohitra ny lehilahy iray hafa atidoha nikotrika ny vola sandoka. Natolotra ny fampanoavana izy mirahalahy ireto ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika izao. Tsiahivina, telo lahy koa voasambotra tao Mananjary nahavita vola sandoka mitentina 96 050 000 Ar, ny talata teo.
Tsiferana R.